Actualités

Camille Vital Nilaozan’ny taona maha jeneraly ?


  • Alarobia 11 Aogositra 2010

Anisan’ny zavatra mahagaga nefa koa tsy mahagaga miseho amin’ity fitondrana FAT ity ny tsy fanarahana ny teny lazaina. Singanina amin’ireny ny momba an’i Camille Vital izay mamerina ombieny ombieny ny tokony hampiharana ny lalŕna.

Momba ny fampakarana grady azy ho lasa jeneraly tampoka teo no maha be resaka ankehitriny. Araka ny fantatra mantsy raha ny lalàna laharana 98.030 natao ny 20 janoary 1999 no arahina dia tsy azo atao ny mampakatra grady ho jeneraly, na “général de brigade” io, na “général de brigade aérienne”, na koa” Contre Amiral”, raha toa ka efa mihoatra ny 56 taona ilay olona, araka izay voalazan’ny andininy faha-128. Ny zava-misy anefa dia teraka ny taona 1952 i Albert Camille Vital, izany hoe 58 taona tamin’ny fotoana nampakarana azy amin’izany laharam-boninahitra izany. Raha ny lalàna dia efa tsy tokony ho anisan’ireo sokajy azo akarina grady ny lehilahy saingy izy moa no tompon’ny fahefana sy ny lalàna angamba. Anisan’ny lesoka goavana eto amintsika moa ny tsy fahafantaran’ny besinimaro ny lalàna misy, mety ho politikan’ireo mpitondra koa izany hampanginana ny valalabemandry raha toa ka tsy manara-dalàna izy ireo. Ezaka goavana tokony himasoana manomboka izao ny fampahafantarana ny tsirairay ny lalàna rehetra, ny lalàmpanorenana indrindra indrindra, ny zo sy adidy amin’ny lafiny rehetra. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT