Actualités

"C.t" sady pastera iray ao Toamasina Mamo sy nanakorontana alim-pandihizana


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2012

“Tsy fantatra intsony na ny toaka nifangaro divay nosotroiny na mamon’ny rongony ity mpikamban’ny kongresin’ny tetezamita sady pastera ity.

 Tsy azo ekena ny fihetsika nataony ka voatery nandroaka azy tamin’ny fampiasan-kery izahay, satria sady tsy manaja olom-panjakana no mbola mamo tsy hay fehezina sy tenenina ihany koa”. Izay no nambaran’ireo mpitandro ny filaminana voatery nandroaka azy teny ivelan’ny lanonana nitranga tao amin’ny trano fisakafoanana “le Bateau Ivre” ny zoma alina teo. Alim-pandihizana mihaja izy io, nokarakarain’ireo vehivavy vadina manamboninahitra sy vadina talena orinasa maro ary ireo vehivavy tompon’andraikitra maro, ho fitadiavam-bola amin’ny asa soa fanaon’izy ireo.

Mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita avy ao Toamasina ity pastera ity. Ny fikambanana “tanora federalista” no nahazoany izany toerana eny Tsimbazaza izany. Nambaran’ireo nanatri-maso ny zava-nisy, fa efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny lanonana tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany no efa nanao fihetsika mamohehatra teo imason’olona ity pastera sady CT ity. Nezahina nalamina ihany ny raharaha, nefa vokatry ny fitomboan’ny hamamoany sy ny fanelingelenana nataony tamin’ireo vadina manampahefana nasaina manokana, tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany maraina, dia nisy ny fandraisan’ireo mpitandro ny filaminana fepetra nanosika azy hivoaka ny efitranom-pilanonana izay mbola nampiderany ny karatra maha “CT” azy ihany. “Tahaka ireny ve no mba olona notendrena ho mpanao lalàna eto amintsika ? Hitako no mikoroso fahana ny fiainam-bahoaka, miha-mahantra ny Malagasy, lomorona ny toe-tsain’ny taranaka, tsy mety mivaha ny krizy. Hita taratra amin’ireny koa ny toe-tsain’ny nanendry azy ireny raha izao no zava-misy”. Izay no nambaran’ireo olona nasaina manokana nahita ny fandehan-javatra ny zoma alina hifoha ny sabotsy teo ity. “Sady tsy nandoa ny fidirana nomanin’ny mpikarakara izy no mbola mampiseho toetra tsy mendrika. Na olom-panjakana sy olom-boatendry aza, mbola manala baraka ny anaram-boninahitry ny pastera Malagasy mihitsy”, hoy hatrany ireto olona ireto namarana ny fanazavany sy ny ahiahiny amin’ny hoavin’ny firenena sy ny Malagasy.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT