Actualités

"Bus Intelligent" Mbola mila fanofanana ny mpamily


  • Talata 21 Febroary 2017

Naneho ny heviny mikasika ilay “bus intelligent” kasain’ny fanjakana hampiasaina eto an-drenivohitra sy ny manodidina omaly Andriamatoa Maradonna, filohan’ny koperativa Contrasmar mampitohy an’Anosy sy Vontovorona.

 Nambarany fa tsy mbola nisy fifampidinihina mihitsy teo amin’izy ireo sy ny fanjakana hatreto mikasika ireo bus ireo. Hanamaivana ny fahasahiranam-bahoaka kosa ny antom-pisian’izy ireny, hoy izy. Ho an’ny koperativa tantanany manokana dia nambarany fa tsy olana ny mety hidiran’ireto bus intelligent ireto any amin’ny zotra trandrahany satria ilaina ihany koa ny fanovana saingy tsy maintsy mila fanofanana manokana ny  mpamily. Ticket mantsy no hiasa ka tsy hisy intsony ny fikirakiram-bola.  Malalaka  rahateo ny lalana  mihazo an’i Vontovorona sady mahazaka olona betsaka  ny fiara izay avo roa heny noho ny zakan’ny sprinter. Tokony ho orinasa no hitantana ireny bus ireny fa tsy koperativa izay hivondronana tompona fiara maromaro. Mety hanahirana ihany mantsy ny fitantanam-bola manodidina izany raha tsy hay ny mandamina azy.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT