Tsy araka ny nanampoizan’ny koperativa azy ny vidin’ilay “bus intelligent” an’ny orinasa ID Motors, izay kasain’ny fitondram-panjakana hampidirina eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Tafakatra 200.000.000 Ar mantsy ny vidin’ny iray raha araka ny fanadihadiana natao, mari-bola izay nambaran’ireo koperativa sasany sendra ny gazety Tia tanindrazana fa mety tsy voaloa mihitsy na dia hibaby trosa hatramin’ny zanaka aman-jafy aza. 400 Ar isaky ny mpandeha no hangonina, ny asa fanamboarana anefa tsy maintsy hatao eny anelanelany eny rehefa tojo fahasimbana ny fiara. Omaly no nanaovana andrana voalohany amin’ny fampiasana azy io eto an-drenivohitra, mialoha ny hifampiresahan’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, amin’ireo koperativa vonona handray sy haka ity fiarabe ity. Tsiahivina fa ireo toerana be mpianatra toy eny Ankatso sy Vontovorona no nambaran’ny filoham-pirenena fa tsy maintsy hampidirana voalohany ity fiarabe ity na dia misy amin’izy ireo aza no noraran’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety tsy mahazo mampiditra fiara vaovao hitrandraka ny zotrany intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.