Actualités

BUCAS Antanimena Hampirisika amin’ny asa famokarana


  • Alatsinainy 09 Janoary 2017

Zina ny taona 2016 lasa teo ho an’ny birao mpandrindra ny asa sosialy eto Antananarivo na ny BUCAS satria dia tratra ny tanjona, hoy ireo tompon’andraikitra ary mihoatra izay novinavinaina aza.

 

 Raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ity birao ity dia maherin’ny 170 tamin’ny taon-dasa ireo olon-dehibe niverina nahay namaky teny sy manoratra ary mikajy raha nanaraka ny fiofanana nomeny. Maherin’ny 800 kosa ireo fianakaviana izay efa mirotsaka amin’ny fikajiana ny tontolo iainana rehefa mamokatra raha toa ka 300 no novinavinaina. Ny mikasika ny fahaiza-mitantana eo am-pihariana dia nahatratra 900 mahery ireo tantsaha nirotsaka tamin’ny fitarihan-dalana izany raha toa ka 300 no novinavinaina. Vain-dohan-draharaha amin’ity taona ity ny fivoizana ny famokarana eny ifotony amin’ny alalan’ny fiaingana amin’ny antsoina hoe « Fihavanana » sy « Firaisankina ».

Mirija  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT