Manoloana ny fampandrenesana an-gazety nataon’ny orinasam-panjakana miahy ny sosialim-bahoaka na ny CNaPS ny 15 sy 16 novambra lasa teo izay milaza fa izaho,
hoy ny tompon’ny orinasa Madagascar immobilier Ravelonanosy, Bruno Randriatefy Ravelonanosy, dia nanao hosoka sy nampiasa hosoka ny fifamarotana tanin’ity orinasa ity tamina mpahay taotrano antsoina hoe Rija dia mangataka ity orinasa ity hiala tsiny noho io vaovao tsy marina io aho, hoy ny tenany. Efa 11 taona izao no nitsanganan’ny orinasako, hoy hatrany izy, ary midika izany fa matihanina izahay ka tsy maintsy manadihady vao manao zavatra. Raha marina ny voalaza teo dia efa tany Tsiafahy no nisy ahy na Antanimora farafahakeliny fa tsy teto, raha nanome fanazavana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary omaly. Renay tamin’izany fotoana, hoy hatrany ity mpandraharaha ity, fa hamidy ny tanin’ny CNaPS mitondra ny titra 51191A eny Mahasoa Ankorondrano ka rariny izahay raha nanadihady. Herinandro taty aoriana anefa, hoy izy, dia efa nipoitra an-gazety ny anarako. Iza no nanipy hoditr’akondro ny tale jeneralin’ny CNAPS ? Izahay tsy mbola nihaona na dia in-dray mandeha tamin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny CNAPS mikasika io raharaha io ary tsy mbola nanasonia taratasim-pamarotana io tany io na iray aza. Tsy ampy ny fanadihadian’ity orinasam-panjakana ity, hoy ny namintinany azy.
J. Mirija
Sary: Rakotobe Michel
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.