Ory avokoa ny ankamaroan’ireo mpanakanto tonga nitsapa alahelo tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely omaly nanoloana ny vatana mangatsiakan’i Bruno Raisner, mpihira avy any Atsinanana diso fantatra tamin’ilay lohatenin-kira hoe : « Kotro-baratra ».
Anisan’ireny i Nantenaina izay vao avy nifanerasera taminy telo volana lasa izay. Noho ny aretina nahazo azy anefa dia lavo ihany i Bruno Reisner herinandro maromaro nitsaboana azy tetsy amin’ny hopitaly Loterana Ambohibao. Efa tamin’ny taona 2016 no nikiky azy io aretina io ary tsy nanaiky raha tsy nandavo azy ny alatsinainy maraina teo. Niainga omaly hariva nihazo ny Nosy Sainte Marie moa ny nofo mangatsiakany taorian’ny niandrasana azy tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely. 58 taona ny lehilahy izao nandao ny tany izao, namela kamboty enina mianadahy. Nanomboka ny taona 1972 no fantatra ny sangan’asany tao anatin’ny vazo Kaiamba tena izy izay tena nahafantarana azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.