Actualités

Brickaville - Ranomafana Kely miteraka ny ankizivavy


  • Alakamisy 06 Mey 2010

Anisan’ny loza mitatao amin’ny hoavin’ny mponina ao Brickaville sy Ranomafana, ny fahakelezan’ny zazavavy miditra eo amin’ny sehatry ny fiterahana.

Manomboka amin’ny faha-13 na faha-14 taonany ny zazavavy no miteraka voalohany. Nivoaka mihitsy aza ny tarehi-marika milaza fa efa tsy virijiny intsony ny 90%-n’ny zazavavy latsaky ny 14 taona any an-toerana ary tafakatra 100% izany ho an’ireo latsaky ny 18 taona. Tsy lavitra izany koa ny zazalahy izay vao feno 16 na 18 taona dia mitondra tokantrano, ka mazàna mihantona eo anivon’ny CEG ny fianarana ataon’ireo zatovo lahy na zatovo vavy ao Brickaville sy Ranomafana. Vokatra io loza mitatao io, dia tafakatra telo na efatra isam-bolana ny zaza maty am-pahaterahana raha manodidina ny 30 eo ny mpiteraka isam-bolana. Manampy trotraka izany koa ny mbola fanatonana reninjaza sy ny fahakelezan’ny zaza teraka izay latsaky ny 2,5kg eo am-pahaterahana ary ny fidiran’ireo vehivavy efa lehibe mihoatra ny 45 taona mbola miditra amin’ny fiterahana hatrany. Manodidina ny 7 eo mantsy farafahakeliny ny zaza ateraky ny mpivady any an-toerana ankoatra ireo afaka na maty am-pahaterahana ary tsy mahatody ny faha-05 taonany akory eo anivon’ny tokantrano iray.

Ankoatra izany, ho an’i Ranomafana manokana dia mitatao amin’ny fahasalaman’ny mponina isan’andro ny bilarziozy, izay hita amin’ireo rano manodidina ny tanàna, nefa ireo renirano ireo no ampiasain’ny mponina andavanandro. Aretina anisan’ny mpahazo ny mponina noho izany ny aretin-kibo izay tonga amin’ny fivalanan-dra mihitsy, ny aretin’ny taovam-pisefoana samy hafa ary ny aretina bilarziozy ka ny vehivavy sy ny ankizy no tena voany noho izy ireo tena mifandray betsaka amin’ireo rano misy ity aretina ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT