Actualités

Brickaville Nidina an-dalambe ny mpanjifan’ny Jirama


  • Alakamisy 08 Novambra 2012

Feno ny kapoaka ! Leon’ny fahatapatapahan-jiro lava sy ny fahamaizinan’ny tanŕna ny mponina ao Brickaville ka dia nidina an-dalambe omaly.

 Nilahatra teo anoloan’ny biraon’ny Jirama izy ireo avy eo nitanjozotra nihazo ny foibe famokarana herinaratra ao an-toerana. Jiro azo avy amin’ny solika no mamatsy an’i Brickaville. Nisy fahasimbana anefa ny milina mpamokatra herinaratra ka dia nitarika fahatapatapahan-jiro tato anatin’ny iray volana teo izay, ary dia tapaka tanteraka mihitsy aza efa efatra andro izay, ka io nampitroatra ny mpanjifa io. Maizina ampototry ny jiro i Brickaville, hoy i Leriva Manahira, na dia ao anatin’ity Distrika ity aza no misy an’Andekaleka.

Mahafantatra an’io olana io ny Jirama Toamasina, hoy izy, fa mangatak’andro. Toerana saropady anefa raha i Brickaville, ny olona ao rahateo manao politikan’ny fo. Porofon’izany ny efa saika nisian’ny barazy tamin’ny lalam-pirenena faha-2 omaly, vokatr’io hatezeran’ny olona io, ka anairan’ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity ny tompon’andraikitry ny Jirama hamaha ity olana ity, satria dia efa miantraika amin’ny fiharian’ny mponina izany, matiantoka ireo mpivarotra, mpanao hotely atahorana ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Nizotra am-pilaminana ihany anefa ny hetsik’izy ireo omaly, tsy nanimba zavatra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT