Actualités

Botozaza Pierrot Norobain’ny jiolahy ny tranony


  • Alarobia 01 Septambra 2010

Lonilony politika sa asan-jiolahy tsotra izao ? Izay izao no fanontaniana mipetraka amin’ny besinimaro mikasika ny nahavaky ary nahaverezana ny entana rehetra tao amin’ny tranon’i Botozaza Pierrot. Ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata no nitrangan’izy ity tao Mangarano II Toamasina

Araka ny fanazavana azo tamin’ireo manodidina ny tanàna misy an’ity Tale jeneralin’ny Port teo aloha sady mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko Tiako i Madagasikara, ity dia nitsofohan’ny jiolahy ny tranony tamin’io fotoana io. Nandritra ny fanafihana dia nofatoran’ireo jiolahy tongotra aman-tanana ary voatampim-bava ny mpiambina tao. Taorian’izay dia notsatotsatohan’ireo jiolahy, izay heverina fa maromaro ihany, ny antsy ny lohany sy ny tendany ary ny vatan’ilay mpiambina. Manaporofo izany ny dian’antsy am-polony hita teny amin’ny vatany, raha nanao ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana sy ny dokoteram-panjakana. Maty tsy tra-drano ity mpiambina ity. Hatreto aloha dia tsy fantatra mazava ny tena anton’ity asan-jiolahy ity na resaka politika ka nosaronana amin’ny halatra ny hevi-dratsy saika hatao, na tena finiavana hangalatra tsotra izao. Iarahana mahalala mantsy fa ministry ny asa vaventy tamin’ny governemanta farany notarihan’ny jeneraly Charles Rabemananjara tao anatin’ny fitondrana Marc Ravalomanana ny tenany. Na izany aza dia tsy vao sambany no niharan’ny fandrobana toy izao ny fananany. Vao nitranga mantsy ireny krizy sy sakoroka ary fandravana fananana ny taona 2009 ireny, dia efa anisan’ny lasibatra ny fananany tao amin’ny tanàna 10km miala an’i Soanierana Ivongo, ka lasa tamin’izany ny entana rehetra tao ary ireo hazo saika hanorenana trano fandraisam-bahiny tany an-toerana, eny fa ireo zava-pisotro sy sakafon’ireo mpiasa tany aza.

Tsy tao ny tompon-trano nandritra ity asan-jiolahy farany ity, izy ireo rahateo tsy mipetraka ao Mangarano II. Ho hita eo moa ny tohin’ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana, fa efa misy ny fitarainana nataon’izy ireo milaza ny asan-jiolahy nihatra taminy sy namonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny mpiambina ny tranony.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT