Tsy marina ny feo iniana haely amin’izao fotoana izao fa tsy maharaka ny taratasy hanamboarana kopia mari-pahaterahana eo anivon’ny Boriborintany I.
Raha araka ny fantatra mantsy dia mahatratra 1.000 isan’andro amin’izao ireo olona tonga mangataka kopia ao amin’ity Boriborintany iray ity. Ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC no tena maro an’isa amin’izany, izay nomarihin-dRazanadrakoto Heriniaina lefitra faharoan’ny delegen’ny Boriborintany I fa vita eo noho eo raha 1.000 Ar kosa ny sarany. Ampy tsara ny taratasy hampiasaina hatreto hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Misy mantsy hoy izy ireo miezaka manakorontana ny kaominina Antananarivo renivohitra ka manely feo tsy marina tahaka izany. Na izany aza dia nomarihin’ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Boriborintany I ity fa ny bokim-pianakaviana no ilaina ho an’ireo izay hikarakarana “bulletin de naissance” raha afaka maka kopia mivantana ihany koa ilay olona, raha teraka tao amin’ny faritra misy ny Boriborintany I. Manomboka amin’ny 07 ora maraina moa dia efa afaka milahatra manao izany fangatahana izany ao amin’ity Boriborintany iray ity ireo olona mila izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.