Actualités

Boriborintany Fahenina Tsy hatao tompon-trano mihono ny vahoaka


  • Sabotsy 17 Jona 2017

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly teny Ambohimanarina, haharitra roa andro, ilay hetsika varavarana misokatra karakarain’ny Boriborintany fahenina, entina hampahafantarana ny faritra misy azy.

Tanjona  ny hampahafantarana ireo vahoaka eny ifotony ny fomba fiasa sy fitantanana eo anivon’ny Boriborintany sy ireo zavatra mampiavaka azy. Natomboka tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva 17 isa mandray anjara ny hetsika, ahitana ireo tolotra omen’ny Boriborintany fahenina sy ireo mpiray ombon’antoka ary ireo mpiara- miasa akaiky. Mifandrindra amin’ireo ny fifaninanana ara- panatanjahantena samihafa toy ny Basket-Ball ho an’ny sokajy lahy sy vavy, ny fifaninanana  Tsikonina ho an’ny ankizy, ny fifaninanana hatsaram-bika sy hatsaran-tarehy… Anio sabotsy 17 jona dia hisy ny fifaninanana hazakazaka miainga  eny Ambodivonkely hatreny Anosisoa misy ny Boriborintany. Hanolotra loka ho an’ireo telo voalohany kosa ny Orange Madagascar izay mpiara-miasa akaiky amin’ny Boriborintany sady  mpanohana ofisialy ny hetsika. Nisy ihany koa fanolorana koveta ho an’ireo mpanasa lamba eny amin’ny fokontany araka ny fampanantenana nomen-dRamatoa Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana tamin’ny fandalovany teny an-toerana. Nambaran’Atoa Razafimahefa Heriniaina, sekretera jeneralin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa tena  ilaina ny hetsika toy izao mba tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka ary tokony halain’ny Boriboritany hafa tahaka. Miantso ireo mponina ny tenany nisolotena ny Ben’ny tanàna mba ho avy hitsidika ny hetsika hanamorana ny fahafantarana ireo tolotra  sy asa iandreketan’ny kaominina.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT