Ho fanohizana ny fankalazana ny tsingerintaona fahatelopolo nisian’ny boriborintany fahatelo, dia mbola mitohy hatrany ny asa fanavaozana sy fanatsarana ny efitrano fisoratam-panambadiana.
Notoloran’ny AMETIS solosaina iray marika Le Novo, Core i3 ny boriborintany fahatelo omaly, milina izay ampiasaina ao amin’ny « salle de mariage ». Orinasa efa mpiara-miasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny AMETIS ary manohana ihany koa ny boriborintany. Manomboka izao dia afaka mangataka hira ny mpanambady amin’ny fotoana hidiran’izy ireo ao amin’ny efitrano fisoratana. Hahazo tombony ihany koa ireo rehetra mpampiasa ity toerana ity toy ireo fikambanan’ny zokiolona, ny mpivarotra, ireo polisy … Miezaka hatrany hanatsara ny tolotra ho an’ireo vahoaka ny Boriborintany fahatelo satria tanjona ny hanome fahafaham-po azy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.