Actualités

Boriborintany Faharoa Efa mivoatra


  • Alarobia 22 Febroary 2017

Miha mivoatra ny Boriborintany faharoa – Antananarivo Renivohitra ankehitriny. Efa mihatony ny fandriampahalemana, manomboka tsy hita ny mpivarotra amoron-dalana, madio sy milamina ny tanàna.

Nivoitra io nandritra ny fihaonan’ny mpanao gazety sy ny delegen’ny Boriborintany faharoa, Razafindrabe Jacques ny alatsinainy 20 febroary 2017 teo. Nohamafisiny fa ezaka amin’ny fanatsarana hatrany ny Boriborintany iandraiketany no tena imasoany. Eo ny fanafoanana ny fananganana trano tsy ara-dalàna, ny fanavaozana ny sisin-dalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra, fanamboarana fotodrafitrasa fametahana afisy. Mitohy ihany koa ny ezaka amin’ny fampidirana ny mpivarotra amoron-dalana any anaty tsena. Nomarihiny fa mifandraika amin’ny oniveristen’Antananarivo ny ankabeazan’ny fotodrafitrasa eny amin’ny boriborintany faharoa. Efa miatomboka ny fanavaozana ny tsena eny Ankatso raha ny voalazan’ny delege. Tsy hofoanana akory io tsena io fa ezahina mba tsy hanelingelina ny fifamoivoizana sy ny mpandeha an-tongotra.

Nangonin’i Jean D.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT