Actualités

Boriborintany faha-IV Maimaimpoana ny kopia voalohan’ny zaza vao teraka


  • Zoma 24 Febroary 2017

Adidin’ny mpitantana ny kaominina ny mijery ifotony manara-maso ny fanavaozana na fanamboarana ireo fotodrafitrasa vatsian’ny CLD (Comité Local de Développement) vola, hoy ny delegen’ny boriborintany faha-IV Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel.

Hifarana tsy ho ela moa io tetikasa 2016 io izay nisy fahatarana kely teny am-panombohana. Manoloana kosa ny resaka mandeka mikasika ny fikirakirana ireo karazana antontan-taratasy ilain’ny olona dia handoavana sarany ara-dalàna avokoa eny amin’ny toerana natokana handraisana ny vola izy ireo, hoy ny solontenan’ny ben’ny tanàna. Maimaimpoana fa tsy voakasik’izany kosa ny kopia voalohany ho an’ireo zaza vao teraka. Maharitra kokoa moa amin’izao fotoana izao ny fe-potoana fahazoana azy io noho ireo antontan-taratasy tahiry voafafa tao anatin’ny solosaina simba. Hiverina amin’ny laoniny manomboka ny volana aprily ny zava-drehetra ka entanina ireo mpikarakara taratasy hanaja ny fandaminana ho fisorohana ny fandikan-dalàna hataon’ny mpiasa. Azo atao tsara rahateo ny miresaka raha tena maika ny ilana ny taratasy, hoy ity tompon’andraikitra ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT