Actualités

BORIBORINTANY FAHA 6 Nahazo koveta sy sio ireo vehivavy mpanasa lamba


  • Zoma 17 Febroary 2017

Nahazo koveta sy sio avokoa ireo vehivavy sy renim-pianakaviana mpanasa lamba ao Ambohimanarina, Boriborintany fahenina. Am-polony maro izy ireo no notolorana fitaovana omaly hahafahana manampy azy amin’ny asa fivelomany.

 Ny tanora HVM eto Antananarivo  tarihin’ny sekretera jeneraliny Razafimandimby Rija Ethel no tonga nanolotra  ny entana teny an-toerana, hetsika namaranan’izy ireo ny fitetezana ireo Boriborintany enina teto an-drenivohitra.  Tsy hijanona hatreo ny hetsika ho an’ny fikambanana. Araka  ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fikambanana dia efa miroso amin’ny fanofanana maimaimpoana ihany koa izy ireo ankehitriny ka lohalaharana amin’izany ireo izay  rehetra liana amin’ny fianarana ny teny anglisy ankoatra ireo tanora manampahaizana liana amin’ny fianarana manokana momba ny fahazoana vaovao, ny fanabeazana amin’ny ankapobeny ary koa resaka serasera. Hisy ihany koa ny fampianarana maimaimpoana ireo olon-dehibe tsy mahay mamaky teny sy manoratra ao Soavimasoandro ny volana martsa ho avy izao entina hanatsarana ny fiainan’izy ireo amin’ny ankapobeny. Tsiahivina fa anisan’ny mandray anjara feno amin’ny fanentanana ny olona mba hanara-maso ny anarany anaty lisi-pifidianana ihany koa ny THVM.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT