Betsaka ireo ankizy tsy afaka nandia ny varavaran-tsekoly hatramin’izay tao amin’ny Boriborintany fahenina noho ny tsy fananany kopia mari-pahaterahana.
Misy amin’izy ireo no efa folo taona tsy mahay mamaky teny sy manoratra ihany, antony nanosika an-dRaherisoa Vololona filohan’ny Ong AFFMI sady solombavambahoaka voafidy eny an-toerana hanatanteraka fidinana ifotony nijery ny fiainan’ireo ankizy isan-tokantrano. Fantatra fa mahatratra 330 ireo ankizy tsy manana kopia ka tokony hojerena akaiky. Roa volana no kely indrindra amin’izy ireo ary 15 taona kosa no zokiny indrindra. Omaly no tonga nanatanteraka ilay fitsarana mitety vohitra hahafahana manome kopia mari-pahaterahana ireto ankizy ireto teny amin’ny Boriborintany fahenina ireo mpitsara miasa eo anivon’ny Fitsarana taorian’ny fangatahana rehetra nataon’ity solombavambahoaka ity. Mbola hitohy rahampitso zoma ny fandraisana ny ray aman-drenin’ireo ankizy tsy manana kopia ireo. Tanjona ny mba hahafahan’ireo ankizy madinika mandeha mianatra toy ny namany rehetra amin’ny taom-pianarana ho avy io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.