Mbola feno “4’mi” matory ihany amin’izao fotoana izao eny amin’iny faritra Anosizato Atsinanana, Anosibe ary Anosy iny, raha vantany vao mananika ny amin’ny 07 ora hariva,
na dia efa nisy aza ny fanentanana sy ny fampitandremana notanterahin’ny Boriborintany faha-efatra tamin’izy ireo ny talata alina lasa teo. Ankoatra ny fofona sy ny loto avelan’izy ireo mantsy dia manjaka ihany koa ny tsy fandriampahalemana, toy ny sinto-mahery sy ny harom-paosy, ka ireo olona tratra hariva no tena mahita faisana amin’izany. Tsy maintsy alana amin’ny toerany tanteraka izy ireo araka izany. Hitohy anio alina ny hetsika, izay fantatra fa hotontosaina in-telo isa-kerinandro, mba ho fitandroana ny fahadiovan’ny tanàna sy ho fiarovana ny fananan’ny mponina. Nisy tamin’ireo 4’mi ireo moa no efa nanaiky ny hiala saingy mbola tazana teny ihany, antony tsy maintsy mbola hanaovan’ny Boriborintany faha-4 fidinana ifotony indray.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.