Actualités

Boriborintany faha-3 eny Antaninandro Havadika nomerika ny tahirin-kevitra rehetra


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Lanonana tsotra nefa nanana ny lanjany no notanterahana tetsy amin’ny foiben’ny boriborintany faha-3 Antaninandro ho fanamarihana ny faha-30 taona nifindrany ao amin’ny trano misy azy ankehitriny.

 Raha ny tantara, ny taona 1961 no nisarahan’ny boriborintany rehetra tamin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Nanofa trano ny Boriborintany faha-3 taorian’izay hatramin’ny taona 1987. Tarigetra ny hoe “Miasa am-pitiavana sy am-pahamarinana ho tombontsoan’ny vahoaka”. Tanjona rahateo ny fanomezana fahafahampo ny vahoaka. Maro ny zavatra nohavaozina tamin’izao fanamarihana ny faha 30 taona izao, toy ny fanatsarana ny efitra rehetra sy ny fampitaovana solosaina. Nohatsaraina ihany koa ny seza sy ny fanamafisam-peo. Nomena lanja ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina nahafahana nanatontosa ny asa. Ny tale misahana ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Razanamparany Mahefa no nisolotena ny Ben’ny tanànan’Iarivo Lalao Ravalomanana. Nambarany fa hovaina nomerika avokoa ny tahirin-kevitra ao ka fiaraha-miasa amin’ny fikambanana iray avy any Etazonia no ahafahana manatanteraka ny asa. Nivoitra nandritra ny lanonana ihany koa fa manao fanamarinana ny anaran’ny mpifidy ao anaty lisi-pifidianana ny boriborintany faha-3. Manodidina ny 200 000 ny mponina ao ankehitriny ary 187 ny isan’ny mpiasa. Ny 28 desambra 2017 no hamaranana amin’ny fomba ofisialy ity tsingerintaona faha-30 ity amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana etsy amin’ny FJKM Andravoahangy fivavahana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT