Omaly alatsinainy 15 janoary 2018 dia nisy ampahany tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Boriborintany faharoa (Ambanidia) ao anatin’ny kaominina Antananarivo nametraka sorabaventy mitaky ny fialan’ny delege Andriamatoa Jacques Razafindraibe.
. Fikasihan-tanana mpiasa, fandroahana mpiasa lava, fanaovana mariazin’olona ivelan’ny boriborintany tsy misy alalana avy amin’ny ary fanomezana fahazoan-dalana hanao trano an-tsokosoko tsy miditra any amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina. Ireo no vesatra hanenjehan’ireo mpiasa ity delege ity, raha ny fanazavan’ny filohan’ny sendikan’ireo mpiasan’ny kaominina, Ankoay Andriantsoa. Raha ny fanazavan’ny delege voakasiky ny raharaha kosa dia ny tsy fitiavan’ireto farany ny fanatsaharana ny gaboraraka nisy tamin’ny fitantanan’ny teo aloha no hanenjehan’izy ireo ny delege ankehitriny. Misy, hoy izy, ireo manda ny iraka hampanaovina azy fotsiny izao fa ilaozany mampiresaka olona ao an-dalantsara. Solontenan’ny ben’ny tanana ety ifotony ny tenako ka tsy maintsy atsahatra izay zavatra tsy mampandroso rehetra. Nilaza ny hanao fanadihadiana manomboka anio moa ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo (CUA) ary dia aleo ho hita eo izany, hoy ity tompon’andraikitra ity fa hatreto aloha dia raisiko ho fanosora-potaka ahy ny fiampangana rehetra izay tsy nisy porofo ary hanana ny fepetra ho raisiko koa aho aorian’ny fanadihadiana. Mandeha kosa ny resaka fa mamofompofona ambadika politika sy tetikady ho enti-manakorontana na mampiady ny eo anivon’ny kaominina ity toe-draharaha ity. Maro mantsy no nahatsikaritra fa mety efa nomanina mihitsy izy ity satria na ireo olona nanao fitakiana aza, dia efa niomana tamin’ny fanamiana mitovy miloko mena. Tsy hay na fifanandrifian-javatra ihany na ahoana. Iza no ao ambadika ? Tsy nahomby ve ny sakantsakana momba ny fanatsarana ny tontolon’ny fiarakaretsaka, dia miditra amin’ny dingana hafa ? Tsy nandaitra ve ny fanasoketana ho manodinkodina ny volan’ny kaominina sy fiantsoana ny fanjakana hanao fanadihadiana lalina momba ny “inspection”, dia miova paikady?
J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.