Zava-baovao eo amin’ny « Bord de la mer » nanomboka ny fialantsasatra lehibe teo ny fahitana ireo ankizy tsy ampy taona manosika fiara kilalao mitatitra ankizy toa azy ireo ihany manamorona ny sisin-dranomasina ao Mahajanga.
Zaza manodidina ny folo hatramin’ny 15 taona avokoa izy ireo ary miandahy miambavy. 500 Ariary ny mitaingina indray mandeha ity fiarakeky ity ary mahatratra hatramin’ny 10 minitra eo ho eo. Raha ny nambaran’ireo ankizy manosika fiara ireo, dia mpanambola no patron’izy ireo ary zaraina mitovy ny vola azo isan’andro ary izay no karaman’izy ireo. Am-polony ireo fiara kely mifamezivezy, indrindra isan-kariva. Tsy misy mianatra intsony ireo ankizy sendra anay nandritra ny fanadihadiana ary tsy maintsy hanampiana ray aman-dreny ny vola raisin’izy ireo isan’andro. Hatreto, tsy mbola nisy tompon’andraikitra misahana ny ankizy nijery ifotony izao fampiasana zaza tsy ampy taona amin’ny endriny vaovao izao izay manampy isa indray ireo ankizy mpivarobarotra eny amin’ny “Bord de la mer”.
Vahaniaina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.