Actualités

“Bord” ao Mahajanga maloto sy maimbo Nandraisana fepetra manokana


  • Sabotsy 12 Aogositra 2017

Nanao fanambarana ny amin’ny fandaminana ara-pifamoivoizana anatiny sy ny fahadiovan’ny tanàna ao Mahajanga ny Lehiben’ny faritra Boeny Atoa Saïd Ahamad Jaffar ny Alakamisy 10 aogositra,

manoloana ny fihavian’ireo vahiny sy mpiala-sasatra marobe. Nisy ny fivoriana mialoha niarahan’ny Prefektiora, ny Faritra, ny Kaomina, ny Sampan’asa misahana ny fitaterana an-tanety na ATT, ny polisy monisipaly ary ny  polisim-pirenena niresahana ny fanapahan-kevitra tokony ho raisina. Maro dia maro ireo fiara mivezivezy eny amin’ny Bord amin’izao fotoam-pilantsasatra izao, ka miteraka fitohanana lavareny. Ankoatra izay dia misy amin’izy ireny no matory eny amin’ny Bord, ka eny amin’ny manodidina no mivalan-drano sy manao maloto fa tsy mamonjy ireo “bain-douches sy wc public” efa voatokana. Efa nisy nefa ny lalàna navoakan’ny Kaomina mandrara ny fivezivezen’ireo fiara mihoatra ny 3t 500 eny amin’io faritra io, izay nohamafisin’ny naoty navoakan’ny prefektiora. Notsindrian’ny Lehiben’ny faritra, fa tsy azo atao intsony  manomboka izao ny mitondra ireo fiara vaventy eny amin’ny Bord,  izany hoe avy eo amin’ny Jardin D’amour hatreny amin’ny tranoben’ny ENEM. Hisy ny fanaraha-maso hentitra manomboka izao, ka haverina ireo fiara minia mandika izany. Hampitomboina ireo takelaby famantarana manoro ny mpamily ireo làlana tsy azony aleha. Entanina ny mpamily mba hiala sasatra mialohan’ny handaozany an’i Mahajanga, mba hisorohana ny loza mety hiseho. Mikasika ny “bain-douches sy wc public” , izay tsy maharaka satria tsy misy afatsy 3 monja eny amin’ny Bord, dia vahaolana vonjy maika ny fandrindrana azy ireo hisokatra 24/24 ora. Entanina ny rehetra, na vahiny na tompon-tany mba samy hitandro ny fahadiovan’ny Bord. Toerana fitsangatsanganana sy fifohana rivo-dranomasina madio eny, hoy  ny lehiben’ny faritra, fa tsy toerana fanaovana maloto sy fanariana fako sanatria, ka tokony ho sarotiny ny rehetra amin’io fananana iombonan’ny Malagasy io.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT