Actualités

Boky MAP Amidy eny rehetra eny


  • Talata 04 Desambra 2012

“Itony ilay boky nodorana kanefa tsy may”, hoy ireo mpivarotra eny an-dalana rehetra eny.

 Tato anatin’ny andro vitsivitsy izao dia miparitaka ny boky MAP (Madagasikara Am-Perinasa), mirakitra ny vinam-pampandrosoana nataon’ny fitondrana Ravalomanana nanomboka ny taona 2007 ka hatramin’ny 2012. Araka ny fanazavan’ireo mpivarotra dia saika hodorana ireo boky ireo no nalain’izy ireo teny La Réunion Kely sy teny Isotry. Ny teny anglisy no tena betsaka, sandaina 1.000 Ariary izany, ilay dika teny Malagasy kosa dia vitsivitsy ihany aloha hatreto ka manararaotra ireo mpivarotra, satria iny no be mpitady ka dia amidy 2.000 Ariary.

Raha tsiahivina dia nomena maimaimpoana ireny boky ireny nampahafantarana ny Malagasy ny vina sy ny tanjom-pampandrosoana tokony ho natrehan’ny Malagasy sy Madagasikara tao anatin’ny dimy taona, 2007 ka hatramin’ny 2012. Niaraha-nahalala anefa fa tsy tody hatramin’ny farany ilay izy noho ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny 2009. Araka ny fanazavana dia ry zareo afrikanina toy ny any Kenya sy Mozambika indray no miezaka maka tahaka iny MAP iny.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT