Actualités

Bokin’andraikitra hifehy ny fitaterana Neken’ny Taxi Ville sy ny CUA


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Tontosa sabotsy teo ny fihaonan’ny mpisehatra amin’ny mpitatitra fiarakaretsaka sy ny tompon’andraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.

Nanehoana ilay bokin’andraikitra farany (Cahier de Charges) izay efa niarahan’ny roa tonta nodinihana teo aloha moa izy ity ary lany sy nifanekena fa hampiharina tamin’io sabotsy io. Lasa 21 raha 22 teo aloha ny andininy ao anatiny. Nojerena ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny Taxi sy ny CUA ary ny OMAVET eny Ampasampito izay manao ny fitsirihana ireo fiara fitaterana. Tsy nisy fiovana ny vola fandoan’ny mpitatitra dia 18.000 Ariary ho an’ny Taxi ville ary 40.000 Ariary ny an’ny Taxi be. Tsy ifanerena ihany koa ny fakàna ilay Lanterina vaovao izay natao indrindra hanafoanana ireo Taxi tsy ara-dalàna. Rehefa vita ny fitsirihana ny fiara dia mahazo “Carte magnétique de Conformité “ avokoa. Mialoha izany dia omena ny « Certificat de Conformité » mandra-pahatonga ilay “Carte magnétique” entina hanamarihana fa tomombana tsara ireo fiara avy nanao fitiliana. Mba hisian’ny fiaraha-miasa tsara amin’ny CUA sy ny Taxi ville dia tsy maintsy ifampidinihana sy teny ierana avokoa  izay rehetra mahakasika ny sehatry ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra. Ampahany tamin’ireo tapaky ny ny maro ny sabotsy teo moa ireo, raha ny fampitam-baovao. Mbola aroso ny ambaratongan-drafitra araka ny lalàna sy ny fifampifehezana eto amin’ny renivohitra ity bokin’andraikitra ity hakana fankatoavana mialoha ny ampiharana azy.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT