Actualités

Bois de Rose tratra teny amin’ny RN 2 Lasa « Bois Ordinaire » tao anaty fanadihadian’ny DREF


  • Zoma 12 Novambra 2010

Ny talem-paritry ny ala sy ny tontolo iainana Atoa Boda Richard sy ny ekipany no nandray an-tanana ny fanadihadiana ilay raharaha andramena tratran’ny FIP ambodiomby tamin’ny lalam-pirenena faha-2 (RN2) ny alatsinainy vao mangiran-dratsy teo.

Ingahy Boda Richard sy ny mpanao fanadihadiana (Investigateur) iray mpiara-miasa aminy no tonga teny amin’ny biraon’ny FIP ny alatsinainy maraina io, handray an-tanana ny raharaha noho ny FIP tsy afaka manao izany ary ny polisy “judiciaire” sy ny polisy “centrale” tsy nety nandray an-tanana ny raharaha. Nandritra io fanadihadiana nataon’ny talem-paritry ny ala sy ny tontolo iainana io, izay tsy vao izao akory no nanaovany izany, dia nivadika tsy ho « Bois de Rose » na andramena indray ilay bolabola miisa 52 tratra tamin’ny RN2. Voalazan’ ny antontan-taratasy nataon’izy ireo fa « Bois Ordinaire » ireto hazo tratra ambodiomby tao Tanandava RN2 ireto.

Ny tena nahagaga ny mpanao gazety nandritra ny fijerena ireo bolabola 52 isa ireo, dia ny filazan’ity tovolahy iray izay milaza fa tompon’ny hazo tsy am-pisalasalana, na mpisolo vaika ny akalana sy mpanamora ny fizotran-draharaha (mpibizina) fotsiny, nilazany fa « tsy mety hifanarahana mihitsy ireto bandin’ny FIP ireto, nefa izaho aza saika hanome saosy azy ireo, mba tsy hisy arakaraka ireto hazoko ireto. Efa hatreny Tanandava no efa nifanarahana fa tsy manaiky mihitsy ry zalahy » ; mbola nampiany koa aza hoe « rehefa tsy mety ry zalahy ireo, dia aleo miakatra ambonimbony kokoa, amin’izay milamina ny raharaha, ny saosy misy fa ry zalahy tsy mety maka ka aleo izy ho eo raha tsy mila vola ». Raha izay no zohina dia tena nataony tokoa izany ny fahaizany, ary tena vitany hatramin’ny nanova ny PV-n’ny fanadihadiana mihitsy. Ankehitriny, araka ny baikon’Atoa Boda Richard sy ny ekipany, dia navela nandeha ilay kamiao nitondra ireto bolabola 52, ary navela nandeha ihany koa ireo bolabola nivadika ho « bois ordinaire » tamin’ny ora farany. Izao tokoa ilay hoe « tany tan-dalàna sy fanovana tiana hapetraka » angamba.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT