Lasa tantara hafahafa ny momba ilay bolabola tratra tao anaty kaontenera tao Mangarano II ny alarobia hariva teo. Raha ny marina mantsy dia bolabola na «bois de rose» efa nogiazana izy ity, tratran’ny zandary tao Tanambao Nosibe ny 05 jolay tao anaty kamiao roa raha nokasaina hotaterina tao Toamasina.
Amin’ny maha hazo voageja azy anefa dia mahavaka ny sain’ny maro ny mahita azy ao an-tokotanin’olon-tsotra tao Mangarano II, fa tsy teny amin’ny zandary nangeja sy nanao ny fanadihadiana ary nahatratra azy, na farafaharatsiny natao toy ireo tratra tao Ampilaolava farany teo ka notaterina taty Antananarivo. Nisy noho izany ny resaka mivantana, araka ny faneken’i Renaud na i Nonoh, tompon’ilay bolabola tamin’ny Tia Tanindrazana nangataka fihaonana taminy.
Tia Tanindrazana (T.T) : Azonao ambara ve hoe nanao ahoana marina ny mikasika ireto bolabola tato aminao ireto ?
Renaud (Nonoh) : Tsoriko aminareo aloha fa efa mpanao hazo hatramin’izay ny tenako. Fa raha nanondrana hazo aho taloha dia ireo hazo kininina no nalefako tany Chine. Any rahateo ny mpividy sy mpandraharaha mpiara-miasa amiko. Ireo hazo tratra ireo indray, dia hazo avy any Mananara Avaratra, ampahany amin’ireo bolabola maro be fananako any an-toerana. Efa vita fanisana sy fanadihadiana ary firaketana ny 10 oktobra 2009, izany hoe talohan’ny daty farany ny 30 oktobra 2009 nomen’ny fanjakana hamaritana ny “stock” na hazo, ireo bolabola ireo tamin’ny alalan’ny Task-Force. Ny fahadisoako ary ekeko izany, dia ny tsy fananako taratasy nitondrana ireo hazo ireo tao Toamasina, nefa ahy ireo ka mba zoko kosa angamba ny mitondra azy tao Toamasina renivohitra. Iaraha-mahalala rahateo ny halatra “bois de rose” mirongatra ao Mananara Avaratra sy Maroantsetra.
T.T: Ny mahagaga amin’ity raharaha ity dia hazo efa nogiazana teny amin’ny zandary no tonga aty amin’ny tokotanin’olon-tsotra, inona ny anton’izany ? Nisy ve ny tsikombakomba tao anatin’izay ?
Nonoh : Marina fa nogiazana tao amin’ny kaompanian’ny zandary ireo hazo ireo taorian’ny fahatrarana azy sy ny fanadihadiana natao tamiko sy ny mpamily ny fiara kamiao. Tsy natao an-keriny anefa ny famindrana azy ireo nankao Mangarano II, fa nanaovana taratasy mazava tamin’ny Talen’ny ala sy ny tontolo iainana, Boda Richard fa saingy ny lefitra teknikany, Razafindrakoto Edgard, no nanao ny taratasy (procès verbal de séquestre) laharana 06/10-MEF/DREF-ATS/CEF/TAM ny 11 jolay 2010. Io taratasy io no milaza mazava fa ao Mangarano II no ihazonana ireo hazo ireo ary mbola io taratasy io koa no mamaritra fa ny andininy faha-17 ny didy hitsivolana 60-128 no manenjika ahy raha mamadika ny fifanekena natao.
T.T: Iza no niaraka taminao nanatitra ireo entana tao Mangarao II sy ny niambina azy tao ary ny antony nanaovana io fangatahana io ?
Nonoh : Tao amin’ny tobin’ny zandary ireo kamiao nisy azy, noho izany ny zandary no niaraka tamin’ny Talen’ny ala sy ny tontolo iainana nanatitra ireo hazo ireo tao Mangarano II. Ny antony kosa dia noho ny fahatsapan’ny Talen’ny ala sy tontolo iainana raha nitaraina izahay amin’ny fiarovana ireo bolabola 112 ireo ka nanekeny ny fangatahana nataoko dia izay.
T.T : Naninona no tao anaty kaontenera ireo hazo no tratra, amin’izay mbola nisy plomb ihany koa, tsy midika ve izany fa nokasaina haondrana an-tsokosoko ireo bolabola ireo?
Nonoh : Marina io voalazanao io. Tao anaty kaontenera tokoa ny hazo no hitan’ny zandary nanao fanadihadiana tao Mangarano II. Mety ho izay angamba ny fahadisoako satria nihevitra hiaro ireo hazo nogiazana ny tao an-tsaiko fa ny tsy hanondrana azy izany. Teo an-tokotany fotsiny izy io no nipetraka tamin’ny voalohany, nisy nangalatra anefa ny roa nefa soa fa hita ihany tsy lavitra ny tanàna nisy azy. Teo no nandraisako fepetra nanofa kaontenera nametrahana azy, ary ny plomb kosa novaiko manokana mihitsy, amin’izay raha misy mangalatra ireo hazo dia hita avy hatrany. Tsy manana eritreritra ny hanondrana ireo mihitsy aho averiko ihany, fa ny fahatsorako niaro ny hazo indray izao no lasa anenjehana ahy.
T.T: Ary ireo kaontenera roa mbola foana nofainao ireo, mbola misy bolabola hafa angaha any hampidirina ao anatiny?
Nonoh : Tsia. Kaontenera entina hanondranana hazo kininina efa fanaoko hatramin’izay izy io. Efa very vola mitentina 200 tapitrisa ariary tamin’ny figiazana ireo bolabola ireo aho, ka aleo mba hampidi-bola amin’ny fanondrana hazo azo aondrana indray. Tsara hazavaina koa fa nofaiko 600.000 ariary isam-bolana ny tokotany tao Mangarano II io, nanaovana taratasy tamin’ny fokontany sy ny tompon’ny tany ny fifanarahana rehetra ary efa nampahafantarina ny Talen’ny ala sy ny tontolo iainana izany, izay ananan’izy ireo dika mitovy mba hanamarinana ny zavatra mety hiseho toy izao.
Encadré:
Ny vaovao farany azo izao, dia nampanantsoin’ny Talen’ny ala sy ny tontolo iainana tao Toamasina omaly alakamisy 05 aogositra hariva teo ingahy Nonoh, fa nisy ny fanadihadiana nataon’izy ireo taminy momba ireto hazo ireto. Tsy fantatra mazava ny antony. Ny mpiambina ny bolabola tao Mangarano II anefa milaza fa tonga nanara-maso ny hazo tao Mangarano II hatrany ny teknisianina avy amin’ny ala sy ny tontolo iainana. Ny tompon’ny tokotany koa nanamafy, fa misy mpitandro ny filaminana miara-miambina amin’ny mpiambina sivily karamain’ny tompon’ny hazo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.