Lasa resabe ao Toamasina ny amin’ireo “bois de rose” tao anatina kaontenera tratra tao Mangarano II ny herinandro lasa teo. Samy miaro tena fatratra ireo olona rehetra mifaningotra ao anatiny. “Bois de rose” efa nogiazana izy ity, izao nivadika ho lasa tantara ratsy izao.
Niantso mpanao gazety tao amin’ny trano fiasany tao Bazarikely ny zoma tolakandro teo, ny Talen’ny ala sy ny tontolo iainana (DREF), Boda Richard, sy ireo mpiara-miasa aminy, nentin’izy ireo nanazavana sy niarovan-tena mafy mikasika ity raharaha andramena tao Mangarano II ity. Nambaran’i Boda Richard fa “marina fa nanana fitantanana an-tsoratra momba ny fihazonana taorian’ny fanagiazana ny “bois de rose” 112 ingahy Renaud. Nefa aoka ho fantatrareo fa zonay sy andraikitray ary fahefanay manokana ny manome izany. Izahay no nanapaka ny toerana hametrahana azy mba tsy ho very ireo bolabola ireo. Io toerana io dia misy ny famantarana rahetra ‘coordonnée GPS’ ary voafaritra mazava ihany koa”. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa “misy ny fifanarahana ara-taratasy atao amin’izany aorian’ny faneken’ilay mpiambina, ka tamin’ity raharaha ity dia ny tompon’ny hazo ihany no nanaiky nanao izany, ary izy no nitady ny toerana hametrahana azy”.
Betsaka anefa ny mampisalasala ao anatin’ity raharaha ity. “Ny 05 jolay no tratra tao Tanambao Nosibe ny “bois de rose”. Ny 06 jolay no nanomboka ny fanadihadiana. Tamin’io dia efa nahazo fampandrenesana ny DREF Toamasina. Ny nahagaga anefa raha ny taratasy dia ny 10 jolay vao nivoaka ny ‘PV de saisie’ ary ny 11 jolay ny ‘PV de séquestre’, midika izany fa efatra sy dimy andro taorian’ny nahatrarana azy vao vita avokoa ny taratasy rehetra raha 24 ora sy 48 ora ny teo aloha rehetra”. Ny fisafidianana ny toerana nametrahana ireo bolabola koa aza mbola tantara hafahafa ihany koa. Hatramin’izay dia teo anivon’ny DREF na toby miaramila na magazay mihidy tsara no nasiana azy ireny nefa tamin’ity dia “villa” nofaina manokana.
Anio alatsinainy 09 aogositra no fantatra fa hiakatra fampanovana ny antontan-taratasin’ady rehetra mikasika ity raharaha “bois de rose” nogiazana tratra tao anaty kaontenera tao Mangarano II ity, araka ny voalazan’i Boda Richard, DREF Toamasina. Amin’izy ireo mantsy dia hita taratra ny fandikana ny lalàna 60-128 ao amin’ny andininy faha-17, satria ilay fametrahana ny “bois de rose” teo amin’ny toerana nisy azy teo aloha ny taratasy nifanaovana, fa tsy ny fampidirana azy ao anatin’ny kaontenera. “Aminay izany dia nisy ny fikasan-dratsy saika hatao ary voapetrakay ao anaty fehin-teninay izany ary hatolotra ny Fitsarana”. Ingahy Renaud na Nonoh kosa dia manizingizina hatrany fa “manana taratasy ara-dalàna milaza ny toerana amin’ny ankapobeny fa tsy antsipirihin’ny hazo ny tenany, ary ny fiarovana tsy hahavery ny hazo no nataony fa tsy hangalatra ny hazo efa voageja sy voarara”.
Tantara mbola ho lava izany ity raharaha ity. Adin’ny samy matanjaka anefa no ho hita manomboka eto ka izay tsy mahay ihany no poa-maso aloha eo amin’ny tompon-kazo sy ny DREF Toamasina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.