Actualités

«Bois de rose» tratra Lasa tampoka any Kaomoro i Camille Vital


  • Alarobia 23 Jona 2010

Nihazakazaka nankany amin’ny nosy Kaomoro, haka ireo andramena 300 taonina, izay tra-tehaky ny polisin’ny fadin-tseranana kaomorianina ny faran’ny herinandro teo ny praiministra lehiben’ny governemanta Camille Vital.

Nanaitra ny rehetra ihany ity fihetsiky ny praiministra ity, satria eto an-toerana ary efa niasa mafy nandinika ity raharaha ity vantany vao nahafantatra ny vaovao ny ministry ny tontolo iainana ny jeneraly Raveloharison Herilanto. Velom-panontaniana, arak’izany ireo teknisianina sasany ny eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny ala hoe, fa atao inona fotsiny ny ministra, raha toa ka vitan’ny praiministra avokoa ny asa rehetra ? Mametra-panontaniana koa izy ireo ny amin’ny hoe : fa inona no zavatra ao ambadik’ity “bois de rose” tratra tany Kaomoro ity, no nihazakazaka haka izany any i Camille Vital ? Ny sasany amin’ireo mpiasa eo anivon’ity ministera ity, aza moa dia milaza mihitsy fa mety tsy hatokisan’ny praiministra angamba ny ministry ny tontolo iainana sy ireo mpiara-miasa aminy ka izay no antony tsy nandefasany azy ireo tany Kaomoro. Rehefa nanontaniana ny diany moa i Camille Vital dia nilaza fa ny hanorina ny sakana rehetra ho an’ireo mpanao afera amin’ity sehatra ity mba hikatonan’ny lalana rehetra, hono, no anton-diany any. Tsy vitan’ny praiministry ny FAT sy ny ministry ny Tontolo iainana ihany fa na hatramin’ny ministry ny vola ihany koa aza.

Hita, araka izany, fa misy resa-bola amin’ity raharaha ity.  Ny 2 jona lasa teo moa no nanainga tao Mananara Avaratra ny sambo Soavina III mitondra ny laharana 5-RWN, nitondra ireto hazo sarobidy ireto. Re dia efa nahafantatra ny fisian’izany fanondranana izany ny Task Force, saingy ny nahatalanjona dia mbola afaka nandalo soa aman-tsara tany Antsiranana ary tonga tany Kaomoro ilay sambo. Tsara ho fantatra fa manodidina ny roa tapitrisa euros ny tentim-bidin’ireto “bois de rose” tatra tatsy Kaomoro ireto. Porofo iray indray izao tranga izao, fa mbola tena misy ny fikapana sy fanondranana hazo sarobidy eto amintsika, na dia teo aza ireo ezaka maro be nanakanana izany, nambaran’ny FAT fa natao. Ny mponina any amin’iny faritra Ambatosoa misy an’i Mananara Avaratra iny moa dia milaza mihitsy fa tsy mpandraharaha tahaka ny fahita mahazatra any an-toerana no mitrandraka ireo hazo sarobidy fa hafa mihitsy, ary misy no sahy milaza fa tsy matahotra n’iza n’iza izy ireo satria manana mpiaro ao ambonimbony ao. 

RTT sy Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT