Actualités

Bois de rose Tiko Sambaina


  • Alarobia 14 Jolay 2010


May Ambondrona, hoy ny fitenenana. Nihazakazaka nitady izay fomba rehetra hanodinana ny saim-bahoaka mba tsy hifantoka amin’ity “vaky balle” amin’ity resaka “bois de rose” ity ny fitondrana FAT. Nanaovana fandaharana manokana tamin’ny soratra miloko vonimboasary tao amin’ny fahitalavi-panjakana TVM mihitsy ary ny alin’ny talata 13 jolay tokony ho tamin’ny folo ora sy fahatelony fa nahitana “bois de rose” tao amin’ny Tiko Sambaina Manjakandriana, orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana, nandritra ny fisavana natao omaly ary hitohy anio. Tsy natrehin’ny mpanao gazety izay nitranga tany omaly. Na ny mpanao gazetin’ny TVM aza nanao fanamarihana fa sarin’ny Fiadidiana ny FAT no nasaina nalefan’izy ireo. Hatramin’ny sarivongan’ny Amperora Japoney taloha efa vita sokitra aza natsikafona. Ny nahagaga fotsiny dia tao no nisavana ka nakana ireo fiara tsy laitram-bala miisa telo fampiasan’ny filoha Ravalomanana tamin’ny taon-dasa, fa tsy nisy resaka “bois de rose” hoe mampiahiahy, fa tampotampoka teo, dia natao laza masaka. Raha izao izany no fandehany dia tsy ho afa-maina hatramin’ireo mpanao sary sokitra any Ambositra sy izay rehetra manana fanaka vita amin’ny andramena eto. Mbola hitohy !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT