Na dia tsy notononina mivantana aza omaly dia fantatra fa nomena ny miaramila ireo “bois de rose” tratra tany Kaomôro andro vitsy lasa izay. Rehefa tonga teto an-tanindrazana ireto hazo sarobidy ireto dia notanana vonjimaika ireo tantsambo nitondra azy. Olona manana andraikitra amin’izao fitondrana izao no voatonontonona amin’ity raharaha ity. Misy mihitsy moa ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ireo samy FAT momba ity hazo tonga ity. Noho izay antony izay dia nisy ireo nidrinkina ary nilaza ny tokony hametrahana ireto harena ireto eny amin’ny tobin’ny miaramila. Ny nahagaga dia ny miaramila tsy miandraikitra ny lafiny famotorana mikasika ny ady heloka mihitsy no nisahana ny asa. Hatramin’izay rehefa misy tranga tahaka izao dia ny “brigade spéciale” na ny “brigade de recherché” an’ny zandarimariam-pirenena no manao ny famotorana ka eny amin’ny toby misy azy ireo no asiana izay zavatra tratra rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.