Actualités

«Bois de rose» sarona tany Maorisy Mangatsiatsiaka ny «deba»


  • Sabotsy 15 Septambra 2012

Niakatra omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ilay raharaha fanondranana andramena tanaty kaontenera enina sarona tao Maorisy ny 19 jona 2011.

 Olona miisa 9 izy ireo no voarohirohy izay nahitana mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, mpiasan’ny fadintseranana, «transitaires» ary koa Tale jeneralina orinasa. 8 tamin’ireo no niseho teo anoloan’ny fitsarana omaly. Saika mitovitovy avokoa ny antony anenjehana azy rehetra ireo dia ny fanaovana kolikoly, ny fanaovana hosoka mba hanaovana fanambarana diso, fanovana ny pitsopitsony eo amin’ny sehatry ny fadintseranana mba tsy handalovan’ireo entana amin’ny fanarahamaso. Nanda ny fiampangana sy ny mahavoarohirohy azy amin’ity raharaha ity ny ankamaroan’ireo voampanga. Mangatsiatsiaka tsy voakitikitika na tsy kitikitihina sady tsy fantatra (?) kosa ny «deba» na ilay tena atidohan’ity trafika avo lenta nahabe resaka tamin’ny haino aman-jery sy gazety, tsy teto an-toerana ihany fa hatrany ivelany any koa ity.

Marihina moa fa tandrok’omby sy tsaramaso ny entana nambara fa tao anatin’ireo kaontenera enina ireo. Ankoatra izay dia tany Kenya koa no nolazaina fa toerana handefasana ilay sambo fa tsy i Chine satria mampiahiahy avy hatrany ny tomponandrakitra ny sambo makany amin’ity firenena farany ity. Efa malaza mpandray ny andramena Malagasy mantsy i Chine. Noho ny firaisana tsikombakomban’ireo mpiasan’ny fadintseranana sy ny fisian’ny manampahefana ao anatin’ilay tambajotra anefa dia tafavoaka tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina ihany ireo «bois de rose» ary iny tratra tao Maorisy iny.

 Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT