Actualités

«Bois de rose» saika halefa any Chine Efa hakarina eny ambony sambo vao tratra


  • Alatsinainy 06 Septambra 2010

Noheverina ho nangina ny raharaha «bois de rose», hay nisoko mangina tao, na teo aza ny fepetra sy lalŕna ary didy maro navoakan’ny ministera sy ny fitondrana FAT hanakanana azy.

Tamin’ity indray mitoraka ity dia efa teny anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina handeha haondrana no tratra ny sabotsy maraina teo. Nokasaina halefa any Chine rehefa avy mandalo ao Malezia izy ity, araka ny taratasy mikasika ireo entana. Miisa efatra ireo kaontenera misy ireto bolabola ireto no tratra tamin’ny ora farany saika hanondranana azy tamin’ny sambo «Made Frezia».

Hosoka
Tonga tao Toamasina mihitsy omaly alahady hariva ny praiministry ny FAT, Camille Vital sy ny ministry ny fitantanam-bola sy ny tetibola nizaha akaiky ity raharaha ity. Fantatra tamin’izay araka ny fanazavan’ny “receveur”-n’ny ladoany ao Toamasina, fa nanao «fausse déclaration» ny tompon’ireo «bois de rose» ireo. Izay hatrany koa moa no feo re, toa fialana bala, rehefa tratra ny entana. Araka ny fanazavana mantsy dia nisy kaontenera dimy nisy hazo kesika sy kininina koa saika haondrana ary niaraka sambo tamin’ity «bois de rose» ity, ary ny fanambarana an’ireto hazo ireto no nahodina nampiasaina saika hanondranana ilay «bois de rose» ho any Chine. Raha ny fanazavana ihany dia ny 20 aogositra 2010 no efa tonga tao amin’ny Port ireo kaontenera dimy nisy hazo kininina sy kesika ireo. Ny zoma 03 septambra teo kosa vao tonga tao ny kaontenera efatra nisy «bois de rose». Amin’izay mbola ny telo ihany no voalaza tamin’ny taratasy hosoka natao, ka ny sabotsy alina eo am-panondranana azy vao tsikaritra ka najanona aloha hanaovana fanaraha-maso.
 
Tsy afa-maina amin’izao raharaha izao ny ladoany Antanimena, satria raha ny taratasin’ilay kaontenera dimy nisy ireo hazo kininina sy kesika dia niainga tao, ary izany R. enspekteran’ny ladoany izany no nanao ny fanaraha-maso rehetra. Io taratasy io ihany anefa no nanaovana dika mitovy narahina hosoka noheverina hitondrana ny “bois de rose”. Fa ny tena nahazendana dia nampandalovina scanner ireto hazo ireto nefa tsy nisy nahatsikaritra izany ireo mpiasa manao izany sy ny ladoany. Teo koa dia mbola taratasy diso no entina miala bala, nefa raha ny zava-misy dia nisy firaisana tsikombakomba mahatsiravina ny saika hanondranana ity hazo bolabola ity.
 
Misy anarana manamboninahitra maromaro mifaningotra amin’ity raharaha ity. Kolonely miasa amina andrimpanjakana ambony ny iray ary ny faharoa kosa kolonely nitazona andraikitra ao Toamasina saingy miandry famindran-toerana. Tafiditra ao koa ireo mpandraharaha efa re matetika amin’ity trafikana “bois de rose” ity. Nilaza mazava moa ny jeneraly Camille Vital fa «tsy maintsy atao haingana ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity, ary dia hosaziana araka ny lalana sy ny fepetra efa noraisin’ny fitondrana FAT hatramin’izay momba ity resaka bolabola ity izay tafiditra ao anatiny». Nambarany koa fa «manomboka amin’ny mpamily ny fiara vaventy ny fanadihadiana atao, ary tsy maintsy atao izay hahatongavany amin’ireo tompony sy mpanondrana ary ny mifandray tendro aminy rehetra». Mitohy anio alatsinainy ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso mikasika ity raharaha. Ny zandary sy ny talem-paritry ny ala sy ny tontolo iainana no nampandraketina ny fanadihadiana rehetra ka hotaterina manaraka eo ihany ny tohiny.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT