Actualités

“Bois de rose” Nampitandrina ny FAT ny “Task Force”


  • Alarobia 04 Aogositra 2010

Omaly dia nasiaka mihitsy ireo miaramila sy zandary ao amin’ny “task force” nampiandraiketina ny raharaha “bois de rose”. Araka ny fantatra mantsy dia tsy nahazo karama ireto mpiasa ireto nandritra ny efa-bolana.

Omaly dia fantatra fa niezaka ny nihaona tamin’i Vital Camille izy ireo. Araka ny tsiliantsofina dia nilaza ireto mpikambana ao amin’ny “task force” ireto fa hanao ampamoaka ary hamoaka ny anaran’ireo olona mpanao afera maloto amin’ity raharaha “bois de rose” ity raha tsy omena ny karaman’izy ireo. Nihenjana mihitsy izy ireo tamin’ity fihaonana ity ary na ny teny Mahazoarivo aza toa tsy nahita havaly nanoloana izao tranga izao. Tamin’ny herintaona moa ity “task force” ity no natsangana ary na eo aza ireo sivily avy amin’ny ministera isan-tsokajiny dia ny zandary sy miaramila kosa no tena mandray anjara mivantana amin’ny asa nampiandraiketana ity “task force” ity dia ny fanadioavana ny sehatry ny “bois de rose”. Hatramin’izay ka hatramin’izao anefa tsy mitsahatra ny raharaha “bois de rose” fa misy foana isan’andro amin’ny gazety. Ho hita eo ihany ny tohin’izany!

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT