Raha efa mila ho tampina ny daomy amin’ny fanondranana an-tsokosoko “bois de rose” any amin’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo iny, dia fantatra izao fa manomboka mifindra lasy any Melaky iny indray ireo mpanao trafika amin’izao fotoana izao. Anisan’ny distrika ahitana hazo sarobidy i Besalampy sy ny ilany andrefana amin’ny Faritra Menabe iny. Koa dia any indray ireo mpandroba harem-pirenena no miery. Araka ny fantatra dia manarama mpikapa ala ireo mpijirika. Rehefa izay dia anaovana bemidina dia hambara fa hogiazana ireo entana, dia mora ho azy ny maka ireo hazo sarobidy ireo. Raha ny “palissandre” sy ny “ébène” no tena lasibatra amin’iny faritra Menabe sy Melaky iny dia izao mifindra indray amin’ny “bois de rose” izao indray ny fanetriben’ny firenena. Tsy ireo faritra ireo ihany anefa no ahitana “bois de rose” eto Madagasikara fa msy azy io koa eo anelanelan’i Vangaindrano sy Tolagnaro koa aza izay hiafaran’ity na mba hamela zavatra holovain-taranaka ihany ny fitondrana misy ankehitriny, fa toa tsy mitsaha-mitatra toa tany vaky izy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.