Actualités

«Bois de rose» Manomboka mifanenjika ny samy FAT


  • Talata 20 Jolay 2010

Raikitra amin’izay ny fifanenjehana eo anivon’ny FAT mahakasika ny fanondranana hazo sarobidy izay nisesisesy ary tsy mety voafehy mihitsy. Azo hanamarinana an’izany ny fisian’ireo tompon’andraikitra ambony izay, raha ny re, dia hosamborina ato ho ato.

Manamarina izany rahateo koa ny lahatsoratra navoakan’ny gazety iray akaikin’ny FAT omaly. Halohalika ny ranom-bary ho an’ny fitondrana tetezamita satria efa ananan’ny olona ny dosie momba ireo fanondranana marobe. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fandrahonan’ny ankolafy telo, notarihin’ny Pr Zafy Albert sy ny «Coalition de la société civile» ny FAT mba hamoaka ny marina ka hiteny ampahibemaso ireo olony izay tompon’andraikitra tamin’ny fanondranana ireo hazo sarobidy 300 taonina tany Comores. Raha tsy izany dia iretsy voalohany no hamoaka izany amin’ny vahoaka. Izao vao mody nosokafana ny fanadihadiana momba ny fanondranana izay nirongatra raha vao nitsangana ny tetezamita. Nahetsika ny Bianco, ny Samifin. Napetraka ny Task-force …

Tsy hita anefa hatreto izay vokany. Manodidina ny 20 taonina isan’alina, raha araka ny tombatomban’ny mpanara-maso iraisam-pirenena, ny hazo sarobidy mivoaka amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara ary saika miondrana any Azia any ny ankamaroany. Samy nanova arak’izay tiany ny lalàna mifandraika amin’izany ny olon’ny FAT, tsy hay na arak’ingahy Andry Rajoelina izany, ny azy koa moa raharaha manahirana ny fifikirana amin’ny seza kanefa ny olona etsy nameno ny paosy avokoa. Izao vao taitra rehefa manomboka mandrahona ny fikambanana maro samihafa sy ny mpanara-maso iraisam-pirenena ny amin’ny tsy rariny momba ity fanondranana andramena ity. Nanome baiko ny ministry ny tontolo iainana, ny Jeneraly Herilanto ny tsy hitsitsy ireo izay tafiditra ao anatin’ny dosie maloto momba ny fanondranana. Mikorontana tanteraka...

r.d
 
Vaovao Farany
Ny alahady teo, tokony ho tamin’ny roa ora maraina no sarona tao Sahorana (Fenoarivo Atsinanana) ny sambo iray nijanona teny amin’ny serananan-tsambo tao an-toerana. Tsy nanao “visa” io fa tonga dia lasa niaraka tamin’ny entana nentiny. Nanaitra ny zandary izay nampijanona avy hatrany azy izany. Rehefa natao ny fisavana dia kamiao lehibe iray misy bolabola miisa fito, Renault Express iray ary scooter iray no tao. Olona 14 no indray notazomina tamin’ity raharaha ity. Samy nilaza ireo fa tsy mahafantatra na inona na inona mikasika ny raharaha. Notazonin’ny zandary ao Fenoarivo Atsinanana ireo olona ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT