Actualités

«Bois de rose» Ireo tsy refesi-mandidin’ny FAT avokoa no voatonona


  • Alarobia 21 Jolay 2010

Efa fantatra ny momba ireo FAT telo izay voasaringotra amin’ny raharaha “bois de rose”. Efa nanome baiko ny ministry ny tontolo iainana ihany koa ny filohan’ny tetezamita ny amin’ny hisamborana avy hatrany ireo tompon’andraikitra amin’ny fanondranana, na iza izy na iza.

Novaina ho kaomisiona avy hatrany ny «task force» izay noravaina rehefa fantatra fa nisy olona tao anatiny ihany koa voarohirohy ao anatin’ny raharaha. Notatatataina tamin’ny haino aman-jery mpivoy ny hevitry ny FAT ihany koa ny momba ireo olona voarohirohy na dia tsy notononina aza ny anarany. Ankehitriny dia efa saika fantatry ny mpanara-baovao ny momba ireo olona ireo saingy samy miandry ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ny tsirairay mba hamoahana izany. Ary ny tena loza dia saika ireo olona mpanampatra fahefana sy tsy refesi-mandidy eo anivon’ny FAT ireo voarohirohy ireo.

Ny iray aza dia anisan’ny nanampy betsaka tamin’ny fampiasana mersenera mba handrodanana ny fitondrana teo aloha. Ny faharoa kosa dia manamboninahitra iray efa nogadrain’ny fitondrana teo aloha ka anisan’ny navoakan’ny fitondrana tetezamita. Ny fahatelo indray dia vao haingana no tafiditra tamin’ny famoahana voafonja izay nahafaty olona kanefa dia mbola miriaria fatratra any. Ireo hatreto no tena tompon’andraikitra voalohany. Manodidina azy ireo ny manamboninahitra miaramila sy zandary izay efa fantatra ihany koa miaraka amin’ireo mpiasan’ny fadin-tseranana sy polisy samihafa izay tafiditra ao anaty tambajotra avokoa. Ny andrasan’ny maro dia ny hoe tena sahy ny hisambotra azy ireo tokoa ve ny FAT ? Hatramin’ny omaly aloha, raha araka ny fahafantarana azy, dia tsy mbola nisy na ny didy fampisamborana na koa fepetra hafa noraisina momba azy ireo, toy ny hoe tsy famelana ireo olona ireo ny hivoaka ny tanindrazana. Toa efa midika sahady izany fa tena tsy refesi-mandidy tokoa ary tsy maty manota ireo olona ireo. Andrasana ihany koa ny fandraisana andraikitr’ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana, na ny fiarahamonim-pirenena, indrindra ny ankolafy telo izay efa nanambara fa izy ireo no hilaza ampahibemaso ireo olona voarohirohy rehetra rehefa tsy handray andraikitra ny FAT. Andrasana avokoa izany rehetra izany ato ho ato... 

r.d
 
Halefa eny amin'ny toby miaramila Betongolo avokoa ireo “bois de rose” izay natao «saisie» tamin'ity fitondrana ity, araka loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Anisan'izany ireo izay mipetraka etsy amin'ny biraon'ny CNME Ambohibao. Raha tsiahivina dia efa eo anivon'io toby eny Betongolo io ihany koa no hitazomana ireo 300 taonina izay azo tany Comores farany teo.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT