Actualités

«Bois de rose» Henjehana amin’izay ireo mpaniraka


  • Zoma 19 Oktobra 2012

Tsy misy afa tsy ny 10%-n’ny velaran-tanin’i Madagasikara sisa no rakotra ala tsy mbola voakitika mihitsy “forets primaires”.

 Raha mitohy hatrany ny fandripahana ny ala izay marihina fa nisy fihenana kely teo anelanelan’ny taona 2000-2005 noho ny filan’ny olombelona sy ny fitantanana tsy mahomby ity sehatra ity ary ny fitohizan’ny tsy fandraisana andraikitry ny mpiantsehatra rehetra, indrindra ny fanjakana dia hangadihady tanteraka ny firenena afaka 30 taona araka ny ahiahin’i Ndranto Razakamanarina, filohan’ny Alliance Voahary Gasy (AVG). Tsy azo ihodivirana ny famolavolana paikady vaovao momba ny fitantanana ny ala. Dingana voalohany amin’izany ny dinikasa iraisan’ny fanjakana, ny fiarahamonim-pirenena amin’ny alalan’ny AVG ary ny sehatra tsy miankina tontosaina eto an-drenivohitra mandritra ny telo andro. Hisy ny famoahana fehin-kevitra amin’io dinikasa io izay entina handrafetana ny vina vaovao avy eo. “Ny tanjona dia ny famaritana sahady izay zavatra hisy afaka 50 taona. Ohatra, tahaka ny ahoana ny ala misy amin’izany ary velaran-tany manao ahoana koa no azo trandrahana sy arovana ?”, hoy  i Andry Andriamanga, mpitantana ny AVG. 

Andramena 

Momba ny resaka andramena dia nambaran’i Andry Andriamanga fa hisy ministera hafa hiditra ao anatin’ny “Comité de pilotage” manampy ireo mpikambana. Ny fanisana ireo hazo efa nanaovana fanambarana sy tsy mbola vita izany aloha no resaka izao fa tsy mbola miroso amin’ny famarotana ireo tahiry araka ny fanazavany hatrany. Mbola hifanarahana amin’ny mpamatsy vola rahateo koa ny fomba hanatanterahana io varotra io. Ankoatra izay dia hanenjika ireo mpaniraka sy mpanakarama ny tantsaha hanapaka ny bolabola ity komity ity. Saika ireo madinika hatrany tokoa mantsy no sarona sy misazy any an-tranomaizina hatramin’izay.
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT