Actualités

«Bois de rose» Efa 1.200 kaontenera no lasa an-tsokosoko


  • Zoma 04 Janoary 2013

Tsy mitsaha-mitombo ny “bois de rose” miondrana an-tsokosoko miala avy eto Madagasikara tato anatin’ny folo taona.

 Latsaky ny 50 kaontenera talohan’ny taona 2000, nitombo ka lasa 250 kaontenera izany teo anelanelan’ny taona 2000-2005 ary nirongatra ka nisy hatramin’ny 1200 kaontenera mahery no tafaporitsaka hatramin’ny taona 2009 no ho mankaty. Nisy didim-panjakana navoakan’ny fitondrana tetezamita, mandrara ny fikapana, fitaterana, fanondranana “bois de rose” nefa isam-bolana dia andrenesana hatrany fa misy bois de rose tratra saika hanondrana an-tsokosoko.

Nalefa any SAVA sy Analanjirofo ny «Task Force», fa tsy hita ny vokatra nivaingana, vao mainka aza nanao fihetsiketsehana ny tany Antalaha. Tato anatin’izao tetezamita izao koa no nanapahan’ny mpitondra hevitra fa hananganana fitsarana manokana hitsara ny raharaha “bois de rose”, nefa mandrak’ity ny anio tsy niseho masoandro io fitsarana manokana io.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT