Handalo hametraka mpandeha fotsiny ihany no anton-dia tao Tolagnaro ny
alatsinainy teo, kinanjo tavela tsy tafainga tao ny boeing an'ny
kaompania Air Madagascar raha mbola tokony hanohy ny diany hihazo an'i
Toliara.
Nihitsoka tany Tolagnaro ireo mpandeha tokony haterina tany
an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana sy ireo noraisina tao
Tolagnaro tokony hiakatra aty Antananarivo. Rera-dahasa no heverina fa
antony. Ity Boeing ity, izay fiaramanidina fitondrana ny
filoham-pirenena, faha Marc Ravalomanana ka natolotr'ity farany ho
an'ny Air Madagascar, no misahana ny ankamaroan'ireo sidina anatiny
an'ny Air Madagascar ka drodroka ihany ny farany.
Nangonin'i Jean D
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.