Actualités

Bodo Rananaka SG SEMPAMA 17 taona aty aoriana vao manomboka migoka ny tolona sendikaly


  • Alakamisy 30 Aprily 2015

36 taona niaritra ny mafy ary tsy nitsahatra tamin’ny tolona tao amin’ny minisiteran’ny fanabeazana ny tenako, hoy Rtoa Bodo Rananaka sekretera jeneralin’ny sendika Sempama omaly, ary 17 taona nitolomana tao anatin’io Sendika io ka efa nizaka ny tsy eran’ny aina nandritra ny fotoana maro na

 

tamin’ny fahatapahan’ny karama na tamin’ny fampiatoana tamin’ny asa mihitsy na koa tamin’ny ramatahora isan-karazany. 17 taona aty aoriana vao manomboka migoka ny valin’ny tolona natao ny sendika misy anay. Marihako, fa maro ireo sendikan’ny mpiasa mijoro eto amintsika saingy tsy tena nipoitra tamin’ny maha izy azy raha tsy taorian’ny hetsika mavaivay nataon’ny Sempama notarihan’Atoa Raharovoatra Claude. Efa tafatsangana ho “Federasiona” ankehitriny ny Sempama. Amin’ny zoma 1 mey izao amin’ny maha fetin’ny asa ny andro dia manomana hetsika miavaka etsy amin’ny minisiteran’ny fanabeazana etsy Anosy izy ireo ka hisy ny tatitry ny seminera  natao tany Taolagnaro ny voalohandohan’ny volana teo tamin’ny fanazavana ifotony ny asa sendikaly nataon’io federasiona. Faritany 6, Faritra 14 ary Fivondronana 114 no nandray anjara tamin’izany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT