Actualités

Boaderôzy tratra tany Maorisy Mpandraharaha fanta-daza ao Toamasina voatonontonona


  • Talata 05 Mey 2015

Taorian’ny « voan-dalana » nentin’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean mikasika ireo trafikana boaderôzy nogiazan’ny fitondrana Maorisianina, izay averina amin’ny fanjakana Malagasy eo ambany fitantanan’ny masoivoho Malagasy ao Maurice dia namoaka « tsiambaratelo » mikasika azy ity koa ny fikambanana « Ravinala » ao Toamasina.

 
Tompon’ny afera ao Toamasina

Raha ny fanazavana nomen’ity fikambanana ity dia mpandraharaha fantan-daza ao Toamasina no nanondrana an-tsokosoko ilay booaderôzy tratra tao Maorisy io, araka ny filazan’ny fikambanana Ravinala. Ity mpandraharaha ity izay anisan’ny nahazo vahana be sy nanampy betsaka ny mpitondra tamin’ny fitondran’ny amiraly sy ny mpitondra tetezamita, ary fantan-daza ihany koa tamin’ny fanondranana jirofo izay mbola ataony hatramin’izao. Nandritra ilay trafika na andramena tao Maorisy iny dia anisan’ireo tafiditra tamin’ny lisitra hosamborin’ny « task force » roa taona lasa izay ny tenany, saingy tsara loatra ny tambajotrany dia tafaporitsaka nitsoaka tany la Réunion izy  raha avy niafina ireo mpisambotra azy tao anaty trano fivoahan’ny tranony talohan’ny nialany tao Toamasina. Ho an’ny fikambanana « ravinala », ao anatin’ny fihavanam-pirenena nifanarahan’ny solontenan’ny vahoaka malagasy, raha henjehina ingahy Eddy Maminirina izay nanampy vahoaka maro tao Toamasina tamin’ny alalan’ny fikambanana natsangany dia tokony hohenjehina koa ity mpandraharaha iray ity. An-kilan’izany, tsy trafika na andramena ihany no nahalalana ity mpandraharaha ity, fa izy io koa no nanaparitaka ilay rononomandry mamy lany daty maro be teto Antananarivo ny taona 2014 ireny, tamin’ny famoahana ny entana tavela tsy navoaka tao amin’ny antenimieran’ny varotra Toamasiana. Ankoatra izay, mbola izy io ihany koa, araka ny angom-baovao avy amin’ireo mpanondrana jirofo ao Toamasina, no mitady hanao bakoazina ny « bizina » jirofo tahaka ny efa nataony tamin’ny fitondran’ny amiraly.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT