Actualités

Boaderozy tratra tany Cap Masoala Nikoropaka ny fitondrana


  • Sabotsy 11 Febroary 2017

Afa-baraka tanteraka ny fitondrana HVM izay nilokaloka fatratra taorian'ny raharaha singapour fa tsy hisy boaderozy mivoaka an-tsokosoko intsony eto saingy io mipoitra io indray.

 May volon-tratra ny fanjakana ka nanao bemidina tany Toamasina avy hatrany ny praiminisitra narahina minisitra miisa 5 be izao. Nanambara indray i Solonandrasana Mahafaly Olivier omaly fa « manao ny ezaka ny governemanta mba ahafahana mitantana maharitra ny harena sarobidy ka tsy ny olom-bitsy no hisitraka azy fa ny vahoaka Malagasy”. Toa fampandriana adrisa anefa no betsaka fa tsy ampahafirin’ny harena miondrana avy eto amintsika iny tratra iny, ary olona ambony ao anatin’ny fitondrana no tena malaza amin’izany. Samy nahatadidy ny tenin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa hotifirin’izy ireo amin’ny “lance roquette” ireo sambo fantatra fa manondrana boaderozy, saingy inona no teo ? Tsy hay indray izay hiafaran’ireo boaderozy tratra tamin’ny sambo “Lumina”. Ny 4 febroary 2017 no fantatra ny fisian’io sambo izay an’ny orinasa iray antsoina hoe Tsaralaza, manana ny foibeny ao Ampasimazava Toamasina io. Niainga tany Antsiranana ny 4 febroary ary nitondra sira 360 taonina, saingy rehefa tonga tao Vohémar dia nesoriny ny ampahany fa 35 taonina sisa nentiny. Nankany Cap Masoala ny sambo avy eo ka teo no nampidirana ny bolabolana andramena 340 isa, izay notaomina tamin’ny alalan’ny lakana kely miisa 5. Raha ny fangatahana nataony na ny « bon partance » dia any Mahajanga no lalany kanefa tany amin’ny Cap Masoala no nizorany. Nisy ny “unité special mixte” avy amin’ny prezidansa sy ny primatiora ary ny minisiteran’ny fitaterana izay niandraikitra ny raharaha rehefa heno fa misy ny fanondranana an-tsokosoko bolabolana andramena ataon’io sambo io. Naharitra ora roa ny fifanjevoana teo amin’ny sambo “Lumina” sy ireo “unité speciale” izay nitondra sambo antsoina hoe “Noé”. Omaly 10 febroary 2017 maraina no nigadona tao Toamasina ny sambo “Lumina”, izay nisy ekipa 12 ary notazonina any an-toerana avokoa. Re fa misy olona ambony voatonontonona ao anatin'ity trafika ity koa andrasana izay mety havoakan'ny fanadihadiana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT