Actualités

Boaderozy tratra tany Cap Masoala Nafenina ny marina ?


  • Zoma 17 Febroary 2017

“Raha mbola eto ny tenako, dia tsy hanaiky aho ary tsy maintsy hisy ny fanasaziana. Tazoninareo amin’ny teniko aho…”.

  Anisan’ny tenin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly omaly teny Mahazoarivo io raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy. Ilay raharaha bolabolana boaderozy 341 tratra tao anatin’ny sambo Lumina tany amin’ny Cap Masoala no resaka eto. Hentitra ny lehiben’ny governemanta : “misy olona mpanambola be mety hosamborina amin’io raharaha io ary tsy hihemotra ny governemanta…”. Tsy nisalasala ny tenany nilaza fa hampahafantarina ny rehetra amin’ny antsipirihany sy amin’ny fomba mangarahara ny fanadihadiana momba iny raharaha iny. Mazava tsy misy ampiana intsony izay fanambarana izay ary midika zavatra betsaka ary tena manaporofo fa misy ny manao lava tanana any ambadibadika ka mikasa ny hanao “intervention”. Etsy an-kilan’izay anefa, re ihany koa fa mitady ho maty an-javony ny fanadihadiana momba ity raharaha ity satria tena mandaitra tokoa ny tsindry bokotra koa na ny faratampony amin’ny manampahefana eto amin’ny firenena aza dia sahiran-tsaina. Herinandro tokoa izay no dila fa tsy mbola nisy tatitra na ny faran’izay tsotra aza nivoaka avy amin’ireo manao ny fanadihadiana dia ny komandin’ny zandarimariam-pirenena sy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena. Sarotra anefa ny hino fa hoe tsy nahafantatra zava-baovao mihitsy izy ireo. Sa ve tena niato tokoa ilay fanadihadiana ? Tsy atao mahagaga raha somary nahery fomba fiteny ny praiminisitra omaly ny amin’ny tsy maintsy hipoiran’ny marina, satria mahafantatra tsara ny asa be natao tamin’ny nanatrarana ny sambo Lumina teny afovoan-dranomasina izy, ary henatra lehibe ho azy ny fahanginan’ny fanadihadiana ary mety tena hanala baraka azy tanteraka sy hanala azy amin’ny toerany mihitsy aza.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT