Actualités

Boaderozy tany Cap Masoala Afa-maina ireo atidoha ?


  • Sabotsy 25 Febroary 2017

Tapitra hatreo ! Tsy misy tohiny intsony fa nangina ny raharaha momba ilay sambo “Lumina” nahatrarana andramena miisa 341.

Nosarontsaronana ny marina, ka sarintsarim-pihetsika sisa no natao mba hilazana fa misy ny fandraisan’andraikitra. Mpandraharaha iray indray no voalaza fa nanaovana fisavana tany Toamasina afak’omaly. Mba aiza ho aiza kosa ny momba ireo trondro vaventy  sy tena atidoha fa ireo tatsambo madinika sy ny tompon’ny sambo ihany no manefa ? Olona tandapa sy mpikambana ao anatin’ny governemanta no voatonona ho tompon’ny entana sy atidohan’ny fanondranana saingy tsy mbola nisy na iray aza nosamborina na nanaovana fanadihadiana kely akory.

MANAO SINEMA NY MPITONDRA

Tamin’ny andro nahatongavan’ ilay sambo lumina tao Toamasina dia nisy tompon’andraiki-panjakana ambony niresaka tamin'ireo olona voalaza fa mifandray tendro amin'ny tompon’ io boaderozy io tao amina hotely lehibe iray… Asa izay nifanarahana tao fa izao tsy hita popoka ny tohin’ity afera “Lumina”. Milamin-tsaina tsara ny trondro vaventy satria na ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier izay nanitrikitrika ny hampibaribary ny marina aza tampina ny vavany. Tsy hay na tratry ny tsindrin’ireo mafia na mody nanao sarimihetsika. Ny 16 febroary, dia nampanantena ny rehetra hoe: “Raha mbola eto ny tenako, dia tsy hanaiky aho ary tsy maintsy hisy ny fanasaziana. Tazoninareo amin’ny teniko aho…”. Hentitra ny tenany nanamafy fa “misy olona mpanambola be mety hosamborina amin’io raharaha io ary tsy hihemotra ny governemanta…”. Resaka no betsaka ary vao afak’omaly indray ny filoha no niteny fa 750 tapitrisa dolara isan-taona ny harenantsika very an-javony, ka ho hentitra ny fanaraha-maso ny sisin-dranomasina. Minia tsy mahalala ny tenany sa tena diso adversera sa minia jamba hoe ny namana akaiky ihany anie no voatonona ho ao ambadik’ireny e?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT