Tena mbola misy ny aferana boaderozy amin’izao fotoana ary any Chine no tena mandray sy mividy ity hazo sarobidy avy aty Madagasikara ity. Araka ny tsiliantsofina re dia misy mpandraharaha malagasy iray miasa mafy any Chine any amin’izao fotoana satria toa tsy mety tonga any an-toerana ny sambo nitondra ny boaderôzy avy aty Madagasikara. Midika izany fa mbola mitohy ny fanondranana. Rehefa anontaniana moa ny fitondram-panjakana dia milaza hatrany fa efa mandray andraikitra ary miteny koa fa tsy mora ny manao ny fanadihadiana…
Ny fantatra tokoa aloha, araka ny nambarana tompon’andraikitra iray dia tsy ampy vola sy fitaovana ny minisiteran’ny tontolo iainana mba hisahanany ny fanaraha-maso sy ny fitsirihana ny fanapahana hazo an-tsokosoko sy ny fanondranana izany. Efa tena maro ny komity na Task Force natsangana saingy ampahan’asa ihany no vitan’izy ireny ary tsy nahasakana tanteraka ny fanondranana.
Miahotra ny mpamatsy vola
Manjavozavo hatrany ny fanampim-panazavana avy any amin’ny fitondram-panjakana malagasy, ka mihevitra ny olona noho izany fa tena ampanginina mihitsy ve ny afera boaderôzy sa ahoana ? Tsotra anefa ny vahaolana azo atao. Alaina ny anaran’ireo olona (teratany malagasy) miondrana matetika any Chine na mijanona maharitra any, manadihady ny toerana rehetra nalehany tany ny fitondram-panjakana dia efa mety ho fantatra izay manao ity afera ity sy ny irakiraka ary ny lehibe mpaniraka. Fa nahoana ary no tsy manao izany ireo manampahefana ? Anisan’ny mampiahotra ireo mpamatsy vola hanampy antsika ny fahafantaran’izy ireo fa mbola mitohy ny fanondranana an-tsokosoko hazo sarobidy avy aty Madagasikara ary misy olona ambony manana ny maha izy azy tafiditra ao anatin’izany afera maizina izany. Hita mantsy fa mitavozavoza ny fanjakana manolona ny fandringanana izany harem-pirenena izany. Na ny mpanao gazety aza dia efa maro no mahafantatra hoe ireo olona ireo saingy miandry ny fahasahian’ny mpitondra sy ny fahendreny hamoaka ny anarana, mba ialana indray amin’ny resaka hafahafa. Tsara homarihana fa betsaka lavitra noho ny tamin’ny fitondrana tetezamita ny bolabolana boaderôzy niondrana tany ivelany nandritra izao fitondrana Rajaonarimampianina izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.