Actualités

BOA Mahanoro Tsy tao anaty “coffre” ilay vola voaroba ?


  • Alakamisy 20 Desambra 2012

Ao anatin’ny fanadihadiana lalina mikasika ilay famakiana ny banky BOA Mahanoro ankehitriny ny eo anivon’ny mpitandro ny filaminana, izay nidina nijery ifotony ny tena zava-nitranga mihintsy ireo lehiben’izy ireo avy tao Toamasina.

 Ny angom-baovao azo hatreto dia milaza fa tsy tao anaty “coffre” ilay vola be 700 tapitrisa Ar very tao, fa notehirizina tao anaty “armoire” vy fotsy, ka nahatonga ny ahiahin’ireo mpitandro ny filaminana manao ny fandiadiana hoe: “banky goavana tahaka ny BOA ve tsy hanana “coffre” hitehirizana ny volan’olona apetraka ao aminy ?”. Midika izany hoy ireo mpanao ny fanadiadiana fa “misy tandrametaka eo amin’ny fitantanana fananan’ny orinasa sy fiarovana ny volan’ny mpanjifa ao aminy ataon’ity banky ity, ary misy fifandraisan-tendron’ny mpihazona ny fanalahidin’ny varavarana nahatonga ny dika mitovy nanokafana izany, ka mora ny nakana ny vola be tao anaty “armoire” vy”. Efa misy olona voasambotra saingy mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka ny mpitandro ny filaminana hatramin’izao.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT