Manamafy hatrany ny maha Banky voalohany azy eto Madagasikara ny Banky BNI Madagascar. Tian’izy ireo hotandrovana hatrany izay endrika sy toeran’izy ireo amin’izany. Omaly manokana dia hetsika serasera vaovao nampahafantarana ilay “mascotte BNI” na ilay sary olona famantarana ny BNI no nataon’izy ireo.
Manomboka izao dia ho hita eran’ireo masoivohon’ny Banky BNI ity sary olona maneho fandraisana mafana sy fanakaikaizana hatrany ny mpanjifany ity. Hatreto dia fomba vaovao miisa telo koa no ahafahana mifandray amin’ny BNI dia ny finday sy ny aterineto ary ny karatra fisintonam-bola. Ankoatra izay dia misy koa ireo tolotra maro ahitana “pack” ahazoana fihenam-bidy hatramin’ny 50% ho an’ireo olon-tsotra na mpandraharaha sy orinasa mpanjifa. Manomboka izao, eo anilan’ny mpanjifany hatrany ny BNI Madagasikara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.