Handray anjara amin’ny foarabe iraisam-pirenena (FIM) andiany fahafolo hotanterahina eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ny banky BNI Madagasikara. Hanomboka rahampitso 07 mey izany, haharitra telo andro. Tanjon’ity banky iray ity ny hisarihana ireo orinasa,
ny mpandraharaha, ny olon-tsotra mba samy hisitraka ireo karazana tolotra omeny hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny toekarena eto amin’ny Nosintsika. Ankoatra izay dia hikarakara lalao fisarihana hahazoana loka maro samihafa ihany koa izy ireo toy « tablette tactile », « imprimante » ary « Clé USB » ho an’ireo izay mandalo eo amin’ny tranoheva misy azy. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanomezana toy ny baolina misy soratra BNI ho an’ny ankizy madinika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.