Manodidina ny 240.000 isa ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Chedza sy Fundi farany teo nanerana ny Nosy, raha araka ny tatitry ny birao misahana ny loza voajanahary omaly.
Ny 140.000 tamin’ireo no voatery nafindra toerana ka ny 70.000 isa dia mponin’Antananarivo renivohitra avokoa. Antony nahatonga izany ny fanotorana tany tsy ara-dalàna, ny fanorenan-trano amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany ankoatra ny fahatsentsenan’ny lakandrano aterak’ireo harona plastika miparitaka etsy sy eroa. Mba hahafahana misoroka ny tondra-drano be tsy hiverina intsony dia manatanteraka atrikasa mandritra ny roa andro eny Ankorondrano ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy nanomboka omaly. Fijerena ireo lesoka tsy nety tamin’ny fiatrehana ny loza voajanahary farany teo no hatao amin’izany ka hamoahana tsoa-kevitra hahafahana miatrika izany araka ny tokony ho izy. Ho an’ny kaominina manokana dia efa nanomboka ela izany toy ny fandravana ireo trano miorina ambony tata-drano, ny fijerena akaiky ny tata-drano ankoatra ny fanabeazana ny vahoaka mba hahalala ny tokony hataony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.