Tamin’ny ora farany tokony hanombohan’ny fampisehoana nataon’i Black Nadia tao Mahajanga ny faran’ny herinandro teo dia tsy tonga ity mpanakanto miangaly gadona “coupé décalé” ity.
Ny sabotsy maraina teo ity farany vao niainga taty an-drenivohitra hamonjy ilay fampisehoana ka tara ny fidiran’ny fiara izay nitondra azy. Efa ho maraina ny andro vao tonga i Black Nadia ka ireo mpijery sy mpankafy aza efa tapitra nody avokoa tsy nahandry azy. Voatery namerim-bola ny mpikarakara ny hetsika. Hatezerana ny an’ireo miondana an’i Black noho ity fahataram-potoana ity. Niezaka nanao antso avo tamin’ny haino aman-jery hatrany ity mpanakanto ity tao Mahajanga saingy nihena ireo tonga nijery azy tao amin’ny banja Toalaza. Ny fampisehoana izay tokony ho natao ny sabotsy alina dia nahemotra ny alahady alina ka nihena koa ny vidim-pidirana izay tokony ho 10 000 ariary dia lasa 5000 ariary izany. Fampisehoana in-droa no tokony ho nataony saingy tsy voahaja ny fandaharam-potoana. Niesona avokoa ireo mpiondana “coupé décalé” tao Mahajanga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.